ANDRY TGV=666

Nampidirin'i mamibota | 15 Mey, 2009
Normal 0 21

Miarahaba anao
Ny fandalinana ilay isa 666 no tiako resahina aminao . Araka ny baiboly dia isan'ny devoly io.
(Nombre de SATAN). Raiso ny baiboly ary vakio ny Apokalypsy 13 indrindra ny andininy faha 18 ahazoanao ity mail ity:
Hoy indrindra ny mpaminany Jaona amin’ny and 18 : "Aoka izay MANAN-TSAINA hanisa ny isan 'ny bibidia fa fanisan'olona izany, ary 666 no isany.

Ny heviny dia hoe mila mampiasa saina isika vao mahita io isa 666 io satria miafina ilay izy indraindray.
Maninona no miafina ? Satria tsy te ho fantatry ny olona fa devoly izay mitondra io isa io. Te hiafina izy satria betsaka ny mahalala fa ny devoly dia mpamitaka ratsy.

Rehefa mampiasa saina, araka izay voalazan'ny ny Soratra Masina anefa dia miseho ho azy io 666 fa tsy sarotra. Izany hoe tsy misy fomba raikitra ahitana azy fa mila mampiasa saina. Marina ny Baiboly ary mampitolagaga ny zava miafina raiketiny

Ireto misy fampiasantsaina vitsivitsy nahafahana namantatra ireo olona na zavatra mitondra io isa 666 io.

Ny alphabet frantsay no mety indrindra hanaovana kajy amin'ity 666 ity.
Mahagaga tokoa fa raha jerena ny baiboly frantsay ( version Louis Segond), ka raisina ny tapany amin’ny Apokalypsy 13/18 hoe « [...] car c'est un nombre d'homme, et son nombre est six cent soixante-six ». Raha soloina ny laharana voajanahary ny litera tsirairay ao amin’io fehezanteny io ka atambatra ny isa azo dia manome 666. Izany hoe A = 1, B= 2, C =3, D =4, E =5 , F =6 sns sns . Amin’ity tabilao eto ambany ity ny kajy.
c a r c e s t u n n
3 1 18 3 5 19 20 21 14 14
o m b r e d h o m m
15 13 2 18 5 4 8 15 13 13
e e t s o n n o m b
5 5 20 19 15 14 14 15 13 2
r e e s t s i x c e
18 5 5 19 20 19 9 24 3 5
n t s o i x a n t e
14 20 19 15 9 24 1 14 20 5
s i x
19 9 24
=74 + 53 + 88 + 74 + 54 + 80 + 52 + 89 + 63 + 39 + 666

Nisy koa mpikaroka iray nahita fa raha omena laharana toy izao ny litera ao amin’ny alphabet frantsay A=100, B=101, C=102, D=103, E = 104, F= 105 , G=106 , H =107 sns sns dia ho hitanao fa ny anarana hoe " HITLER " rehefa atambatra dia hanome 666.
H I T L E R Total
107 108 119 111 104 117 666
Tsy misy tsy mahalala ny zavatra nataon’i HITLER isika.

Raha ohatra indray ka hatao hoe : A = 1 X 9 = 9; B= 2 X 9 = 18 ; C = 3 X 9 =27 ; D = 4 X 9 = 36 ; E = 5 X 9 = 45 ; F = 6 X 9 = 54 sns, sns... Izany hoe ampitomboina 9 ny laharan’ny litera
dia hahita ianao fa ireto teny ireto dia hanome 666 rehefa atambatra ny isa mifanandrify amin'ireo litera mandrafitra azy : LUCIFER, GUERRE, TRAHIR, OPIUM, HÉROÏNE,

L U C I F E R Total
108 189 27 81 54 45 162 666
Angamba tsy hiady hevitra amiko ianao hoe iza i LUCIFER, kanefa dia tsy hita hoe mitondra ny isan'ny bibidia io anarana io raha tsy nampiasa saina isika ka nampiasa ny “multiplicateur “9. Ny teny hoe “TRAHIR” dia manome 666 ihany koa.Tsy misy tsy mahalala isika fa ny devoly no mpamadika. Ireo teny hafa moa OPIUM, HÉROÏNE, dia samy ratsy avokoa. Tena tsy fifandrifian-javatra izany.
Azo ampiasaina ihany koa ny multiplicateur 6 . Izany hoe A = 1 X 6 = 6; B= 2 X 6 = 12;
C = 3 X 6 =18 ; D = 4 X 6 = 24 ; .E = 5 X 6= 30 sns,sns ,... ( jereo @ tabilao eto ambany ny kajy)

Litera A B C D E F G H I J K L M
Laharana 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13
Multiplicateur 6 6 6 6 6 6 6 6 6 6 6 6 6
Valiny 6 12 18 24 30 36 42 48 54 60 66 72 78


Litera N O P Q R S T U V W X y Z
Laharana 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26
Multiplicateur 6 6 6 6 6 6 6 6 6 6 6 6 6
Valiny 84 90 96 102 108 114 120 126 132 138 144 150 156
Asa raha efa fantatrao ny mikasika ny " nouvel Age" . Ny olona mpanaraka io secte io dia milaza fa i "Maitreyas" no mesia andrasany. Izany hoe ANTICHRIST ho an’ny Kristianina. Raha mampiasa ny multiplicateur 6 ianao, dia ahita fa hanome 666 rehefa atambatra ny isa mifanandrify amin'ireo litera mandrafitra ny "Maitreyas". Betsaka ny anarana azo ampiharana ity multiplicateur 6 ity ka manome 666 rehefa atambatra ny isa mifanandrify amin'ireo litera mandrafitra azy. Omeko ohatra ianao : KISSINGER ", " GORBATCHOV ", " NEW YORK ", ary ny mety hahagaga anao dia anisan'ireny ny hoe "ANDRY TGV". Tsy tonga tonga ho azy fa tena misy fifandraisany amin’ny Apokalypsy 13 :18 matoa ireny anarana ireny manome 666.

M 78 K 66 G 42 A 6
A 6 I 54 O 90 N 84
I 54 S 114 R 108 D 24
T 120 S 114 B 12 R 108
R 108 I 54 A 6 Y 150
E 30 N 84 T 120 T 120
Y 150 G 42 C 18 G 42
A 6 E 30 H 48 V 132
S 114 R 108 O 90 666
666 666 V 132
666


Ny tena zavatra hain'ity 666 ity dia ny lainga sy ny fanaratsiana, ary ny fampihorohoroana. Tsy mahay afa tsy fankahalana. Tsy mbola nisy devoly ka niteny hoe : handao isika hifankatia. Fa ny manao herisetra sy ny faharatsiana rehetra araka ny II Timoty 3 : 1 , 4 no hahafantarana azy…
Tsy tonga tonga ho azy izany ny anarana hoe : "ANDRY TGV" fa dia anjaranao ny mieritreritra ny zava misy eto amin'ny firenena. Tsy misy afa-tsy ny vavaka amin’ilay Andriamanitra, Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina mba hamerina ny filaminana ihany no hahavaha ny olana eto amintsika.
Ny fomba hiadiana amin’ny devoly dia voalazan’ny Tenin’Andriamanitra. Asain’Andriamanitra toherina ny devoly . Vakio Jakoba 4 : 7. Marihina tsara fa tsy ny anarana rehetra dia manome 666.
Ianao ohatra dia zanak'Andriamanitra, satria na anaovana kajy tahaka ny inona aza ireo litera mandrafitra ny anaranao dia tsy manome 666 mihitsy, raha tsy sanatria angaha ka zanaky ny maizina ianao. Ny alfabeta hafa toy ny romana sy ny grika dia nahafahan’ny olona nanao kajy ihany koa ka nahitana olona lozabe teto an-tany nitondra ny 666.